Maromaro ireo fomba amampanao malagasy mifandraika amin'ny resaka taon-trano. Dia ny ety ampiandohana dia apetraka fa samy hafa ny atao hoe fomba sy ny finoana. Betsaka ireo fombafomba malagasy izay zary foana noho ny finoana.
Ka ho ezahina ny mizara ireo izay fomba mbola be mpanao ankehitriny. Raha toa misy aminareo izay mamaky no mbola mahalala izay tsy voambara dia raisina antanandroa. Ho alefa antsika tsikelikely eto mba hiaraha-mahafantatra.
Hanombohantsika azy aloha dia ny resaka fiadina fototra. Tamin'ny andro fahiny dia mijery mpanandro ny olona vao miady ny fototra. Amin'izao dia efa miavitsy ireo manantona mpanandro. Ny any atao dia ny mijery ny volana. Ny andro lazaina fa tena tsara dia ny ampitson'ny maizimbolana mankany amin'ny tsinana herinandro. Azo lazaina ho tsara koa ny ampitson'io mankany amin'ny andro alohany diavolana. Ny antony dia hoe miaraka miakatra @volana ny fananganana. Torak'izany koa rehefa mamboly dia raha tiana haniry tsara dia ireo no andro tsara.
Rehefa voasafidy ny andro dia misy fombafomba kely indray rehefa handatsaka ny angady voalohany. Fafazana toaka kely ny zoro firarazana (lafiny avaratra atsinana eo amin'ny tany). Fafazana ihany koa ny zorony efatra ka manaraka ny lalany fiodinan'ny famataranandro. Rehefa vita izay dia ny tompontrano no mandatsaka ny angady voalohany. Afaka miteny izay mba vetsovetso sy mba faniriany eo ny tompontany. . Matetika dia eo daholo ny fianakaviana akaiky amin'ny androny fiadina fototra. Nomentsika malagasy lanjany manokana mihitsy ny fiadina fototra. Ka dia ny rehetra afaka misafidy izay mba fombafomba tiany entiny manomboka ny fanorenana.
Rehefa vita ny ady fototra dia mandatsaka ireo vato fototra voalohany. Eto indray dia ny ronono sy ny tantely no arotsaka eo amin'ny vato voalohany izay ny tompontany no mametraka azy voalohany. Misy koa ireo izay mandevina zavatra ao anaty fototra arakaraka izay mba tiana rehetra. Matetika dia atao ao anaty tavoahangy ireo zavatra tiana alevina.
* Ho tovanana tsikelikely ny lahatsoratra manaraka ny fivoaran'ny fanorenana.
Ny ankamaroany sary hita eto dia sary nalaina tany "Fiadanana". Fokontany kely dia kely tena lavitra Andriana. Eo ampoton'ilay tendrombohitra atao hoe "Bongolava" anatin'ny distrikan'ny Tsiroanomandidy. Eo @ 250 km miala avy eto Antananarivo. Mahafinaritra io toerana io satria dia mandavantaona dia tsara foana ny andro. Manga foana ny lanitra. Rehefa fotoam-pambolena dia mahazo orana tsara koa anefa ka mahavokatra tokoa. Ny takariva no matetika avy ny orana dia mibaliaka indray ny ampitso. Toerana mbola vitsy mpandalo.
"i Kaky": Anarambositr'i dadabenay izay olona avy eto Antananarivo voatendry hiasa tany Bongolava tamin'ny taona 1950 tany ho any. Nanambady mpihavy tany antoerana koa izy ary dia nitoetra tany hatramin'ny fisotrondronono. Nody mandry tamin'ny 1988. Raha tsy izy tsy nahalala ny fisian'izany Fiadanana izany izahay. Satria izy no nividy tany teny. Tamin'izany fotoana dia hoe "Patrazy" no fiantso ny tany lehibebe ka dia nanana teo Fiadanana izy. Tamin'ny mbola kely izahay dia mandeha mijery ny tani-mangahazony teny. Malalaka koa ny toerana ka afaka hikirimbana, hilalaovana sy hiazakazahanay zafikely. Olona tia mikararaka tany, nambolimboly hazo fihinamboa, niompy trondro i Kaky. Nanana dobokely izy tao amin'ilay patrazy natao hoe Ambatolampikely. Mbola ao io toerana io ankehitriny ary toerana mahasondriana tokoa. Tso-piainana ary tia nizara izay nananany tamin'ireo manodidina azy. Hany ka na dia tsy nanana zavatra firy aza izy dia hita fa olona nahatsiaro sambatra. Na ny tanimbariny na ny taniny dia navelany ho ampiasain'ireo izay mila izany. Maro tamin'ireo anjaralovany no lasan'ireo mpanao asa soa fa nahafaly azy aza izany satria nanampy ireo manodidina azy. Ny zavatra tena mba tiany dia Kafé sy sigara. Ny tena hatsiarovana azy dia ny tsy fanadinoany manatitra voninkazo eo amin'ny fasandrazan'i reniny sy ny rainy. Izahay ankizy aty aoriana no miezaka tsy manadino manatitra voninkazo eo amin'ny fasany koa.
Ankehitrio dia efa niova ny tananan'i Fiadanana fa tsy tahaka ny teo aloha noho ireo tetikasa efa natomboka tao. Ny taranany ihany no anisany nanomboka izany. Sady ho fahatsiarovana an'i Kaky. Raha te ahalala bebe kokoa ny lalana nodiavina sy ireo zava-bita ao antoerana dia ity misy tranonkala mitantara izany. http://www.zahana.org
Tao Fiadanana no nanombohana ny tetik'asa voalohany, ary rehefa hita fa nahomby dia nitarina ho eo "Fiarenana" indray. Tsy dia mifanalavitra ny misy ireo tanana roa ireo. Ary samy toerana mahatamana tokoa.
Hisaorana manokana ireo mpikambana any ivelany izay nanangana ilay tranonkala indrindra fa i Markus sy Jeannette. Tsy hadino koa ny namana Herizo. Ary ireo mpikambana rehetra izay mahafohy tena sy fotoana atokana hanampiana ny mpiara-belona. Ny tanjona amin'izao fizarana izao dia ny mba hanentana antsika tsy hanadino ny any antanana, ilay tany nilalaovana fahiny. Fa na zavatra kely dia kely aza dia efa mitondra hafaliana azy ireo. Ny vinavina lehibe indrindra ary iriana ny hahatanterahany dia ny fananganana hopitaly lehibe mba afahana mandray ireo marary sy ireo mpiteraka rehetra eo amin'ireo fokontany kely maro manodidina .
D'après notre dictons " Tanora ratsy fiary, antitra vao ratsy laoka" alors l'idée et l'envie d'acheter notre terrain venait de germer en été 2008. Notre démarche faisait essentiellement recours aux voies de l'internet et des liens avec quelques internautes se sont noués petit à petit.
Pour diverses raisons, nous pensons que c'est le moment d'avoir notre chez soi pour que notre progéniture s’épanouisse pleinement. Aussi ca servira d'une garantie et d'assurance pour notre retraite.
Le choix des lieux, la superficie et le budget n'étaient pas une mince affaire mais grâce aux aides et conseils de nos entourages, mon mari et moi avons pris les décisions suivantes: localisé sur les axes nationales nord ou ouest de la capitale, superficie entre 250 à 500m2.
Durant nos passages à Antananarivo, des visites ont été faites grâce surtout à nos contacts à distance, mais en vain rien! Rien ne nous plaisait. Mais la bonne étoile était toujours avec nous et on a finalement trouvé un terrain, retiré de la ville au milieu de la verdure et de la nature, avec une superficie plus de 400m2.
On a préféré laisser au bon soin d'un notaire toutes démarches administratives, faute de temps et d'éloignement.
La route est encore longue et d'autre défis nous attend pour la réalisation de notre petit "Trano bongo misy ronono" Natacha & Eric.
Sary/Gallérie Mbola misy sary hafa afaka jerena ao amin'ny "My Photo Gallery". Marihina etoana fa ny sary hita ao sy ny ankamaroany sary eto dia nalaina tany antanana na teny aminay. Ankafizo ny lanitra manga any antanana sy ny masoandro mody eny aminay.